FITSIPIKY  NY  FIFANINANANA  LOGO :

 

1-Mpandray anjara :

 

Misokatra ho an’ny vahoakan’ny FPMA rehetra monina eto Frantsa sy La Réunion ny fifaninanana.

Ny mpandray anjara dia mifaninana amin’ny anaran’ny tenany manokana.

 

2-Fomba fandraisana anjara :

 

 Azon’ny mpifaninana atao ny mandefa ny logo nataony amin’ny alalan’ny mailaka          (courrier éléctronique) marc.rakotoarimanga@orange .fr ,  na an-taratasy.

Ho an’ireo izay mandefa izany amin’ny alalan’ny mailaka dia atao amin’ ny endrika sary JPEG (format image JPEG) izany na PDF (format PDF) ka tsy mihoatra ny 300Kb ary alefa amin’izao adiresy mailaka izao :

 

Ho an’ireo izay mandefa izany an-taratasy kosa dia alefa amin’izao adiresy izao :

Pasteur Rakotoarimanga, 7 rue Jean Pierre Laurens, 92260 Fontenay aux Roses –     

 

Tsy maintsy ampiarahin’ireo mpandray anjara amin’ny logo  ny momba azy, anarana sy fanampiny, adiresy mailaka sy paositra, telefaonina.

 

3- Fe-potoana :

 

Ny fara-fandraisana ireo fifaninanana dia amin’ny 30 septambra 2008.

 

4- Logos :

 

Ny logo dia tsy tokony mampiseho endrika na sary mifanohitra amin’ny fivavahana kristiana ary mampiseho ny teny faneva araka izay hita ao amin’ny Efesiana 4 : 13 « …ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy »

 

Loko roa no azo hampiasaina dia  fotsy sy manga.

 

Ny mpifaninanana dia manambara fa izy marina no mpamorina ary tompon’ny Logo alefany .

 

Ny logos rehetra voaray na lany na tsy lany dia lasa fananan’ny FPMA ary azony ampiasaina amin’izay mety ilainy azy.

 

Ny FPMA dia tsy  mamerina ny vola lanin’ny mpifaninana tamin’ny fanaovany ny logo.

 

5- Fitsarana :

Ny komitin’ny Jobily faha 50 taona miampy ireo olona izay heverina fa manana fahalalana manokana momba ny sary no hitsara ny fifaninanana.

 

Ny logo rehetra voaray dia tsy maintsy ho jerena araka ireto fepetra ireto :

 

a)     Ny fanehoana ny teny faneva araka ny Efes.4 :13 ;

b)     Ny fampisehona ny faha 50 taonan’ny FPMA ;

c)      Ny endrika maha sary ilay logo ;

d)     Ny fahamorana ny fampiasana ilay logo.

 

6- Fankasitrahana :

 

Ny Logo mahazo ny laharana telo voalohany dia hahazo marim-pakasitrahana avy amin’ny FPMA.