Araka ny fanaontsika isan-taona dia hifampitaona indray isika amin’ny 3 sy 4 septambra 2011 ka hitokana sy hiombom-bavaka ary hianatra sy hivelona ny Tenin’Andriamanitra araka ny lohahevitra hoe: « Kristiana mivelona ao amin’i Kristy »

Toy izao ary ny mombamomba izany koa dia tongava maro ary aza adino fa ny 21 aogositra no fara-fisoratana anarana satria voafetra ny toerana.

Ny mpitandrina