NOELY
Tsy fo mangatsakatsaka
Tsy fo tsy misy pentina
No zavatra katsahiko
Izao Noely izao
Tsy hibanjina ny lanitra
Ho sambatra finaritra
No fenitra hohezahiko
Izao Noely izao
Tsy fanadiovan-tena
Na fanandran-tena
No tanjona tratrariko
Izao Noely izao
Noely fahatsiarovan-tena
Noely tia fanetren-tena
Noely fofom-pahantrana
Noely fofon-tranon’omby
Noely fetin’ny mpanota
O Noely tsy mifidy hotoloram-pifaliana
Mahazo mankalaza Anao avokoa ny olombelona rehetra
Noely !
Andriamoratsiresy Vololona
(Pseudonyme/Solon’anarana)