Fisoarana

 

 

 

 

Henry Ratsimbazafy

 

Miarahaba antsika rehetra ao @ Tompo,

Vita soa aman-tsara omaly Alahady 29 juin ny journée récréative izay nokarakarain’ny fiangonana tafo Aix-Marseille.Voalohany indrindra dia misaotra an’Andriamanitra lehibe isika tamin’ny nahatanteraka izany hetsika izany, fa na teo aza ny fikasàna, raha tsy Sitrapony dia tsy tanteraka izany.Mangataka ny famelàna Aminy ihany koa anefa raha nisy tsy araka ny Sitrapony izay vita, satria olombelona tsy tanteraka ihany isika.
Manaraka izany @ anaran’ny Biraon’ny fiangonana, dia misaotra sy mankasitraka antsika rehetra mpiandraikitra, K.T, sampana tsirairay, ary ireo nandray anjara nivantana na an-kolaka , izay niara-nientana sy nampiasa ny talentany t@ mpitiavana sy firahalahiana, ka nahatontosàna izany hetsika izany.Faly sy ravo tokoa ireo vahoaka izay nanatrika izany, ka ny Voninahitra dia ho an’ Andriamanitra irery ihany. Izy no hamaly,sy hanome hery sy tanjaka ary fahasalamana antsika eo @ asa fanompoana Azy. Hiroborobo atrany anie ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo @ vahoakany, ary handroso atrany ny fitoriantsika ny Vaovao mahafaly sy ny fijoroantsika ho vavolombelony eto amin’izao tontolo izao.

Maro ireo namana mety tsy tràtran’izao fisaorana izao noho ny tsy fanànana ny adiresy mail’ny koa miangavy antsika mba ampita izao fisaorana izao ho azy ireo.

Manonona ny Fiadànan’ny Tompo ho antsika rehetra ny tenanay.

Amin’ny anaran’ny Birao sy Komitin’ny Tafo Aix-Marseille.

Ny Filoha
Charles RAKOTONIAINA

 

Ny Mpitandrina

Jeannot RANDRIANANDRASANA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.