Mitoera ao amin’i Jehovah
Maharitra amin’ny finoana ny fitiavanao
Ny zanakao izay mahatoky Anao
Hihoby ary hankalaza ny Anaranao
Satria Ray fiarovana ahy Ianao
Matokia an’ i Jehovah
Izy no iankinanao
Fa tsy ho foiny ny olony mpanaraka Azy
Mitoera amin’i Jehovah
Izy hanome Anao
Fifaliana, fiadanana ary fihononana.
Koa handeha hisaotra an’ i Jehovah Tompo
noho ny famindrampony
Tsy namaly ny olona tamin’ny otany
Na dia lavo aza izy, dia mbola tafarina ihany
Fa Jehovah mitantana azy