Fandaharana Jobily faha 50 taona

JR/TR/TR – 67/2008

Antony : Fandaharana Jobily faha 50 taona                               Paris faha, 19 desambra 2008

 

 

 “… olondehibe  mahatratra ny halehiben’i Kristy sy heniky ny hafenoana

omeny “

Efesiana 4.13

Ry havana,

Izany  no Tenin’ny Soratra Masina banjinitsika FPMA amin’izao tsingerintaona faha 50 ny fiangonantsika izao.

Hankalaza an’Andriamanitra noho izany isika ry havana, koa ireto ny fandaharana iombonana  hanasana antsika  vahoakan’Andriamanitra FPMA rehetra, dia ny asabotsy 31 janoary 2009 sy amin’ny alahady 01 febroary 2009.

 

Ny asabotsy 31 janoary 2009 :

1° Manomboka amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 6 ora : fotoana tarihin’ny Sekoly Alahady rehetra eto amin’ny FPMA. Ny toerana :

 Basilique Saint-Denis la Chapelle

54, rue Torcy

75018  Paris

Toy izao ny fandaharam-potoana amin’izany :

                  Amin’ny 1 ora  – 2 ora : Fandraisana ireo mpanatrika.

          2 ora  – 2 ora sy sasany : Fanompoam-pivavahana.

          2 ora sy sasany – 3 ora : Hira 5 iraisan’ny Sekoly Alahady rehetra FPMA.

          3 ora  – 5 ora : Fandraisan’anjara ny Sekoly Alahady isan-tafo 37

          5 ora  – 6 ora : Fiaraha-miala hetaheta.   

 2° – Manomboka amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 9 ora alina ao amin’ny Basilique Saint-Denis La Chapelle ihany :  CHORALIE MANOKANA  atolotry ny AMF FPMA.

 

Ny alahady 01 febroary 2009 :

Toerana :

Espace Chevreul

97 avenue de la Liberté

92000 Nanterre

       Manomboka amin’ny 9 ora sy sasany ka hatramin’ny 12 ora : Fanompoam-pivavahana fankalazana an’Andriamanitra noho ny Tsingerintaona faha 50 ny FPMA hanasantsika ny  Fiangonana sy ny fikambanana mpikambana ao amin’ny  Fédération Protestante de France sy ireo vondrom-piangonana miara-miasa amintsika.

      Manomboka amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 4 ora : Sakafon-jobily sy  korana ataon’ny fianakaviamben’ny FPMA.

Aza adinoina ny mividy ny “billet” (10 €) ny sakafon’ny jobily any amin’ny Filohan’ny tafo misy anareo . Ho avy tsy ho ela aty aminareo ny hira fanevan’ny faha 50 taona. Koa entanina isika vahoakan’Andriamanitra FPMA hianatra izany. 

 

Eo am-panantenana hifankahita aminareo mandritr’izany fotoana rehetra izany no hanaovanay veloma anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana.

 

      Ny Filohan’ny Komity Jobily faha 50 taona

      

    

      RANDRIAMANANTENA Théodore Raphaël, Mpitandrina

Ny Filoha Synodaly sady Filohan’ny FPMA

 

 

Dr RAVALITERA Jean Andriamarohasina,  Mpitandrina