FISAORANA – REMERCIEMENTS

 

Miarahaba antsika rehetra ao amin’ny Tompo,
Tsy hay ny tsy hisaotra anareo rehetra tsy an-kanavaka: vaomiera, Birao, KT, sampana, mpiangona, vahiny nandalo, ireo izay naniry ho teo kanefa tsy afaka noho ny antony maro ary indrindra ireo izay nijoro vavolombalona nivantana na an-taratasy sns, tamin’ny Levee de fonds izay nataontsika omaly. Nahafinaritra sy nampahery tokoa ny zavatra niainantsika. Ny adidy vita, ny fahafinaretana azo ary ny saina amam-panahy velombelona noho ny fijoroana vavolombelona. Velona tokoa Jesosy ary izay rehetra miray aminy dia mahazo izany fahavelomana izany…

Ny Voninahitra dia ho an’Andriamanitra irery ihany fa ny fiadanany kosa dia ho antsika zanany malalany.
« Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay »
(Isaia 26:12)
« Éternel, tu nous donnes la paix, car c’est Toi qui as mené à bien pour nous tout ce que nous avons entrepris »
(Esaie 26:12)

Tous nos vifs remerciements,

Amin’ny anaran’ny Komitin’ny Tafo FPMA AM

RAKOTONIAINA Charles, Filoha
RANDRIANANDRASANA Jeannot, mpitandrina

Publié le

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.