HAFATRA PASTORALY

 

 

HAFATRA PASTORALY AVY AMIN’NY FILOHAN’NY FPMA NOHO NY SYNODA LEHIBE FAHA-34 – AVIGNON 2012 –

 

 

Ry havana malala,

 

Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo!

 

«Tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahina…» 1 Timoty 4, 10b«Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia  hanompo an’i Jehovah izahay. »  Josoa 24, 15b.

Ireo no teny faneva natsangana amin’izao Synoda Lehibe faha-34 hataontsika FPMA izao.

Miara-manaiky isika fa sarotra ny lalana nodiavina hatramin’ny nahazoantsika ny fizakantena avy tamin’ny FFPM tamin’ny taona 1996, nefa efa dingan-dava no vitantsika hatramin’ny nandraisana antsika ho mpikambana feno ao anatin’ny FPF. Nankalaza an’Andriamanitra noho ny faha-50 taona niorenantsika isika tamin’ny taona 2009 ka nanangana ho faneva sady fanamby koa tamin’izany ny ho «olon-dehibe mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy» Efesiana 4, 13b. Efa Fiangonana isika, kanefa tsy tanjona natao hotratrarina fotsiny izany, fa mitaky fiainana sy fandraisana andraikitra eo ambany fahefan’Ilay Lohan’ny Fiangonana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

Nanomboka niezaka hanao ny fanavaozana ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika Anatiny mifehy antsika isika tany amin’ny Synoda Lehibe faha-32 natao tany Montpellier, ary mbola manohy izany amin’izao Synoda Lehibe faha-34 izao. Natao ho arofanina eo amin’ny fitondrana ny Fiangonana ny Lalàna sy ny Fitsipika, fa ny tena zava-dehibe dia ny fiorenana amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainam-bavaka. Izany no hitomboana ho «olon-dehibe», koa mila fitaizana lalim-paka sy mitohy isika avy amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana maha-kristiana mba hahatonga antsika ho ankohonan’Andriamanitra mankato sy vonona hanompo an’Andriamanitra. Hoy Jakoba ao amin’ny taratasiny, hoe : «Ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo…Iza eo aminareo no Hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. Izany fahendrena izany dia tsy avy any ambony, fa araka ny ety an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia.»Jakoba 1, 21b;3, 13-15. Andriamanitra anie homba sy hitahy antsika mba ho tomombana tsara ny Synoda Lehibe hataontsika, ho voninahitr’Andriamanitra Irery ihany.

 

Paris, Foibe FPMA 17 oktobra 2012

 

Rev. Dr Jean A. RAVALITERA

Filohan’ny FPMA

Publié le

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.