FIARAHABANA TAONA VAOVAO 2013
« Misaora an’i Jehovah, ry Fanahiko ; ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.Misaora an’i Jehovah ry fanahiko, ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra.Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindrampo sy fiantrana anao.Izay mahavoky soa ny vavanao.Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery.Eny mamindrafo sy miantra Jehovah, mahari-po sady be famindrampo.Ny famindrampon’i Jehovah dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy, ary ny fahamarinany mihatra amin’ny taranaka fara mandimby. »
Izany teny izany no entinay miarahaba antsika rehetra amin’izao fahatrarana ny taona vaovao 2013 izao. Am-panantenana feno sy maso vaovao no ijerentsika ity taona vaovao ity, satria fantatsika fa miahy an’ireo izay miandrandra Azy Andriamanitra.Iza no afaka hitondra fahazavana sy fitiavana eo amin’ny fiainantsika, mba hanazava ny diantsika.Ny valiny ry Havana dia Jesoa Kristy irery ihany.
Isan’andro dia tsapantsika Izy fa mikarakara antsika @ fomba mety ho miafina @tsika, saingy azo tsapaintanana.Aoka hanopy maso @ lasa ihany koa isika, dia ho tsapantsika am-pifaliana ny fiadanana ho an’izay rehetra mamela Azy hiditra eo @ fiainany.Inona no mety ho faniriantsika ? Raha tsy mahafantatra an’I Jesoa Ilay zanak’Andriamanitra ianao, dia antenaina fa hifanena Aminy @ alàlan’ny finoana Azy.
Raha efa tafiditra eo @ fiainanao moa Izy, dia mirary anao hitombo @ ilay finoana izay mamatotra antsika Aminy sy mamelona ny fanantenantsika izahay.
Ho taom-piasana, ho taom-pamafazana, ary ho taom-pijinjana hoa an’ny Tompo tokoa anie ity taona vaovao ity, ary ho taom-panambinana sy taom-pahasoavana ho antsika mianankavy.Hahatratra ny taona maro mitsingerina indray isika rehetra.
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra
Filoha FPMA Aix Marseille