HAFATRA PASTORALY PENTEKOSTRA 2015

         Ry Havana malala,

 

Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina !

 

« I Kristy no hajao ho Tompo ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin’ny fanantenana ao anatinareo, » 1 Petera 3. 15.

«Manaja an’i Kristy ao am-po»,izany hoe «manamasina» Azy (araka ny dikanteny ao amin’ny Baiboly protestanta mahazatra antsika), izany no loharanon’ny fitondrantena mampiavaka ny kristiana, manaraka ny tenin’Andriamanitra araka izay voasoratra ao amin’ny Salamo 34. 12-16, tanisain’i Petera ho fampaherezana ny mpino. Ny manaja an’i Kristy dia manahaka Azy eo amin’ny fitondrantena ary manao ny sitrapony araka ny fampianarana nomeny.Tsy vitsy tokoa manko isika no nalahelo sy diso fanantenana nandre ny filazam-baovao momba ny fanapahan-kevitry ny Fiangonana rahavavy iray mikasika ny “mariage pour tous”. Tsy mifanaraka amin’ny fiainam-panahy nitaizana antsika Kristiana malagasy mihitsy izany. Mila fahaiza-manavaka ny tena fitiavana mba tsy ho voasaron’ny filàn’ny nofo, ary ny tokantrano kristiana misy mpivady lahy sy vavy mahay mifandefitra no taratry ny fiaraha-monina tonga lafatra araka ny naharian’Andriamanitra azy: « Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin’Andriamanitra hanana anjara amin’ny soa nampanantenainy. »1 Petera 3. 8-9.

Miomàna dieny izao amin’ireo Fihaonambe ataon’ny Fiangonantsika: Synoda momba ny ara-bola sy Fiofanan’ny Filoha sy ny Miandraikitra ny ara-bola (20 jona aty Paris), RNSTK (volana Jolay any Avignon), Isantaonan’ny Sampana Fifohazana (volana Jolay any Besançon), Zaikabe (volana novambra any La Roche sur Yon).

Mbola marina sy mihatra amintsika mandrakariva ny toky sy fampanantenana lazain’ny Tompontsika Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1, 8, manao hoe : « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.».

Mirary Pentekosta finaritra eo ambany fahasoavan’Andriamanitra ho anareo rehetra izahay, ary mitsodrano anareo amin’ny anaran’Ilay Tia antsika sady Lohan’ny Fiangonantsika :

« Ilay Andriamanitra loharanon’ny fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana tanteraka anareo noho ny finoanareo, mba hampitomboana be dia be ao aminareo ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina! »(Efesiana 15, 13)

                                                                   Paris, andro Pentekostra : Alahady 24 Mey 2015

                                                                   Ny Filoha Synodaly, Filohan’ny FPMA

                                                                             Rev. Dr Jean A. RAVALITERA,

Publié le

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.