Dieu qui s’occupe de son peuple

 

11nov2012 – Dieu qui s’occupe de son peuple – malgache

11nov2012 – Dieu qui s’occupe de son peuple – VF

Lectures de ce jour :

    I Mpanjaka ( I Roi   )  17 / 10 -16
    Hebreo  ( Hébreux )     9 /  24 – 28
    Marka   ( Marc      )   12 /  38 – 44
Message audio du dimanche 11 novembre 2012.

34eme synode national – culte

34eme synode national les 2 et 3 et 4 novembre à l Ymca Avignon

Culte de cloture dimanche 4 novembre @.,11 h à la paroisse St Paul 1094 Avenue de la Trillade 84000 Avignon

Theme du Synode FPMA

tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.

1 Timothée 4 v.6b

fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.

Josué 24 v.15b

ROJOM-BAVAKA SYNODE (5mn/jour pendant une semaine pour le Synode)

ROJOM-BAVAKA SYNODE (5mn/jour pendant une semaine pour le Synode)

Ho fanomanana ny Synoda Lehibe faha-34 izay atao any Avignon amin’ny faha 2,3,4/11/12 izao dia hanao Rojom-bavaka (chaine de priere) toy ny mahazatra isika. Efa niainantsika ny vokatr’izany.

« Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra » (Jakoba 5:16e)
Ny vahoaka FPMA manontolo no antsoina handray anjara amin’izany andraikitra masina izany kanefa tokony ho lahalaharana amin’izany isika Tafo Aix-Marseille.
Dimy minitra isan’andro hanokanana vavaka ho an’ny Synoda lehibe faha-34 ary hanomboka ny alahady 28/10/12 ka hifarana amin’ny alahady 04/11/12 amin’ny 12ora alina.
Indro ny rohy ahafahana misoratra anarana mivantana amin’izany:VAVAKA HO AN’NY SYNODA

HAFATRA PASTORALY

 

 

HAFATRA PASTORALY AVY AMIN’NY FILOHAN’NY FPMA NOHO NY SYNODA LEHIBE FAHA-34 – AVIGNON 2012 –

 

 

Ry havana malala,

 

Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo!

 

«Tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahina…» 1 Timoty 4, 10b«Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia  hanompo an’i Jehovah izahay. »  Josoa 24, 15b.

Ireo no teny faneva natsangana amin’izao Synoda Lehibe faha-34 hataontsika FPMA izao.

Miara-manaiky isika fa sarotra ny lalana nodiavina hatramin’ny nahazoantsika ny fizakantena avy tamin’ny FFPM tamin’ny taona 1996, nefa efa dingan-dava no vitantsika hatramin’ny nandraisana antsika ho mpikambana feno ao anatin’ny FPF. Nankalaza an’Andriamanitra noho ny faha-50 taona niorenantsika isika tamin’ny taona 2009 ka nanangana ho faneva sady fanamby koa tamin’izany ny ho «olon-dehibe mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy» Efesiana 4, 13b. Efa Fiangonana isika, kanefa tsy tanjona natao hotratrarina fotsiny izany, fa mitaky fiainana sy fandraisana andraikitra eo ambany fahefan’Ilay Lohan’ny Fiangonana, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

Nanomboka niezaka hanao ny fanavaozana ny Foto-dalàna sy ny Fitsipika Anatiny mifehy antsika isika tany amin’ny Synoda Lehibe faha-32 natao tany Montpellier, ary mbola manohy izany amin’izao Synoda Lehibe faha-34 izao. Natao ho arofanina eo amin’ny fitondrana ny Fiangonana ny Lalàna sy ny Fitsipika, fa ny tena zava-dehibe dia ny fiorenana amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiainam-bavaka. Izany no hitomboana ho «olon-dehibe», koa mila fitaizana lalim-paka sy mitohy isika avy amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana maha-kristiana mba hahatonga antsika ho ankohonan’Andriamanitra mankato sy vonona hanompo an’Andriamanitra. Hoy Jakoba ao amin’ny taratasiny, hoe : «Ekeo amin’ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo…Iza eo aminareo no Hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. Izany fahendrena izany dia tsy avy any ambony, fa araka ny ety an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia.»Jakoba 1, 21b;3, 13-15. Andriamanitra anie homba sy hitahy antsika mba ho tomombana tsara ny Synoda Lehibe hataontsika, ho voninahitr’Andriamanitra Irery ihany.

 

Paris, Foibe FPMA 17 oktobra 2012

 

Rev. Dr Jean A. RAVALITERA

Filohan’ny FPMA

Alpha 2012 c’est maintenant !

Les rencontres ont lieu le soir de 19h30 à 22h00 au Parvis du Protestantisme

15 rue Grignan.

Voici le calendrier :

Alpha, c’est un dîner à l’ambiance conviviale et informelle

Alpha, c’est un exposé pour réfléchir ensemble sur toutes ces questions que chacun se pose souvent seul, au sujet de Dieu ou du sens de la vie

Alpha, ce sont des groupes d’échanges au sein desquels on peut librement partager ses interrogations sur la religion, dans le respect de chacun

Alpha, ce sont des temps de dialogue ouverts à tous, sans limite d’âge, que l’on soit croyant ou pas, de confession chrétienne ou pas, pratiquant ou pas

Alpha, c’est un lieu de rencontre où l’on peut inviter ses amis mais aussi lier de nouvelles connaissances

Alpha, ce sont des bénévoles laïcs qui animent les dîners et font découvrir (ou redécouvrir) l’Eglise, loin des images d’Epinal

Alpha, c’est à côté de chez vous, dans votre paroisse, église ou aumônerie.

Un parcours Alpha, c’est un repas par semaine, pendant 10 semaines, ainsi qu’un week-end proposé en milieu de parcours

Un parcours Alpha, c’est tout ça à la fois, et c’est gratuit et sans engagement.

Pour en savoir plus !

Audio fpmaam.org

Retrouvez en audio des messages de la Fpma Aix Marseille

fpmaam.org
FPMA AIX MARSEILLE, fpmaam.org