Audio – Fiangonana mitandrina ny faneken’Andriamanitra

(Obéir à Dieu et respecter l’alliance)
« Avy eo dia nalainy ny bokin’ny fanekempihavanana* ka novakîny mafy teo imason’ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay an- tsakany sy an-davany. »
Il prend ensuite le livre de l’alliance et il le lit à haute voix devant le peuple. Les Israélites disent : « Tout ce que le Seigneur a dit, nous le ferons et nous lui obéirons. » (Exode 24:7)

Lectures
Exode 24.3-8
Hébreux 9.11-15
FFPM 213 / 2
Marc 14.12-26

Kristiana mandray ny Fanahy Masina – audio

holyspirit3

Kristiana mandray ny Fanahy Masina – Le Chrétien qui reçoit le Saint Esprit
« Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho hangataka amin’ny Ray ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay »
« Si vous m’aimez, respectez mes commandements. Quant à moi, je prierai le Père et il vous donnera un autre défenseur afin qu’il reste éternellement avec vous »
(Jean 14:15-16)

Lectures
ACTES 8.5-17
1 PIERRE 3.15-18
JEAN 14.15-21

HAFATRA PASTORALY PENTEKOSTRA 2015

         Ry Havana malala,

 

Ho aminareo anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina !

 

« I Kristy no hajao ho Tompo ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin’ny fanantenana ao anatinareo, » 1 Petera 3. 15.

«Manaja an’i Kristy ao am-po»,izany hoe «manamasina» Azy (araka ny dikanteny ao amin’ny Baiboly protestanta mahazatra antsika), izany no loharanon’ny fitondrantena mampiavaka ny kristiana, manaraka ny tenin’Andriamanitra araka izay voasoratra ao amin’ny Salamo 34. 12-16, tanisain’i Petera ho fampaherezana ny mpino. Ny manaja an’i Kristy dia manahaka Azy eo amin’ny fitondrantena ary manao ny sitrapony araka ny fampianarana nomeny.Tsy vitsy tokoa manko isika no nalahelo sy diso fanantenana nandre ny filazam-baovao momba ny fanapahan-kevitry ny Fiangonana rahavavy iray mikasika ny “mariage pour tous”. Tsy mifanaraka amin’ny fiainam-panahy nitaizana antsika Kristiana malagasy mihitsy izany. Mila fahaiza-manavaka ny tena fitiavana mba tsy ho voasaron’ny filàn’ny nofo, ary ny tokantrano kristiana misy mpivady lahy sy vavy mahay mifandefitra no taratry ny fiaraha-monina tonga lafatra araka ny naharian’Andriamanitra azy: « Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin’Andriamanitra hanana anjara amin’ny soa nampanantenainy. »1 Petera 3. 8-9.

Miomàna dieny izao amin’ireo Fihaonambe ataon’ny Fiangonantsika: Synoda momba ny ara-bola sy Fiofanan’ny Filoha sy ny Miandraikitra ny ara-bola (20 jona aty Paris), RNSTK (volana Jolay any Avignon), Isantaonan’ny Sampana Fifohazana (volana Jolay any Besançon), Zaikabe (volana novambra any La Roche sur Yon).

Mbola marina sy mihatra amintsika mandrakariva ny toky sy fampanantenana lazain’ny Tompontsika Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1, 8, manao hoe : « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.».

Mirary Pentekosta finaritra eo ambany fahasoavan’Andriamanitra ho anareo rehetra izahay, ary mitsodrano anareo amin’ny anaran’Ilay Tia antsika sady Lohan’ny Fiangonantsika :

« Ilay Andriamanitra loharanon’ny fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana tanteraka anareo noho ny finoanareo, mba hampitomboana be dia be ao aminareo ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina! »(Efesiana 15, 13)

                                                                   Paris, andro Pentekostra : Alahady 24 Mey 2015

                                                                   Ny Filoha Synodaly, Filohan’ny FPMA

                                                                             Rev. Dr Jean A. RAVALITERA,