Sans titre

Mahazendana tokoa ny tantaran’ny Joba satria ahitana taratra ny fahoriana mianjady amin’ny zanak’olombelona indrindra ny fahaoriana sy ny tsy rariny mihantra sy zakain’ireo izay tsy manan-tsiny. Tonga ao an-tsaina mazana ny fanontaniana toy ny hoe* aiza Andriamanitra?

Manoloana ny toe-javatra toy izay niainan’i Joba dia azo sogadiana telo ny mety ho valiteny tonga ao an-tsaina na aroson’ny olonaymanoloana ny fahoriana:

Ny voalohany dia ny filazana fa matoa iharan-javatra toy izao dia azo inoana fa nisy zavatra tsy nety natao na koa vokatry ny fahaotana. Izany tokoa no teo am-bavan’ireo sakaizan’i Joba. Mety ho marina izany fanam-barana izany kanefa tsy ny fahoriana rehetra akory dia vokatry ny fahotan’ilay olona ianjadiany hatrany. Fantantsika ny valitenin’i Jesoa rehefa nanontany azy ny mpianany ny amin’ilay lehilahy teraka jamba raha toa ka vokatry ny fahotan’ilay jamba na ny an’ny ray aman-dreniny no nahatonga azy ho teraka jamba (Jaona 11).

Publié le

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.