Ny Mpiandry Tsara – Salamo 23

berger02

1 Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,

2 Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy.

3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.

4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.

5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.

6 Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho.

Manaiky hahatanterahan’ny planin’Andriamanitra – audio

panneau“Fa namaly Jesosy ka niteny tamin’i Jaona mpanao batisa hoe : Ekeo ihanyankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinanarehetra. Ka dia nekeny Izy”

Mat 3 : 15

Vakiteny

Esaïe 42 : 1-7

Actes 10 : 34 – 38

Matthieu 3 : 13-17

Lay Teny Tonga olombelona ka nonina tamintsika – audio

lumiereIlay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana

(Jean 1 / 14)

 

Vakiteny

Esaie 52 : 7 – 10

Hébreux 1 : 1 – 6

Jean 1  : 1 – 18